mirado


Androany izao dia izao
Izao no ilazako aminao mazava
Ny ato am-poko hatramin'izao
Ka mba raiso sy henoy
Fa mba hiangaviako mihitsy ianao
Tsy fanaoko izao,ny hilaza hoe:
Tiako ianao

Sanatria tsy sangisangy
Na teny an-tendromolotra ihany
Izao lazaiko anao izao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao,tena tiako ianao

Ref:Tsy manery anao anie aho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ato am-poko
Izay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao

Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko eto indray ho renao
Tiako ianao,tena tiako ianao

Tsy miandry valiny aho
Zaho tsy hangataka hiaraka aminao
Tsy izay no tanjoko
Fa raha toa tsapanao
Fa mitovy lanja amin'ny ahy ny fitiavanao
Dia raiso ny tanako

# Posted on Wednesday, 16 April 2008 at 2:14 PM

asa raovina

kel bel chanson avec bcp des enfants
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Wednesday, 16 April 2008 at 2:03 PM

kel bel duo

on reve tjrs dans la vie eeeeeee
[ Dash a comment ] [ No comments ]

# Posted on Wednesday, 16 April 2008 at 1:54 PM

izy anie izy iny

izy anie izy iny

Isaorako ianao nitsotra
tsy nanafina izay tao am-po
fa niezaka nanararaotra ny tsy naha-teo azy hitory fitia
fa nefa anie izy tsy ndeha ho aiza
fa ao ampoko ihany

CHORUS X 2
izy anie izy
no masaka ao an-tsaiko ato
izy anie izy
ny ato an'eritreritra
izy anie izy
no nahatonga ahy hanao fo vato
izy anie izy
no tsy nahatapaka hevitra ahy

Na tsy mihaona ary izahay
tsy mampiova ny ao am-ponay
fa zahay iray saina fanahy
mifankahita an'eritreritra
nefa anie izy tsy nankaiza
fa ao ampoko ihany

CHORUS X 2

Ka mba miangavy aho
aleo hilamina raha mba azo atao
satria izy irery

CHORUS X 2
Izy no tiako efa niriako hatrizay
izy no tiako mba ho ahy

# Posted on Saturday, 29 March 2008 at 1:45 PM

muneca brava

cette fille est tres amoureuse d'Ivo aann
muneca brava

# Posted on Saturday, 29 March 2008 at 8:01 AM

Edited on Saturday, 29 March 2008 at 1:49 PM